Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Distrikan’i Mandoto : miaramila nalefa hampandry tany

Distrikan’i Mandoto : miaramila nalefa hampandry tany

Nihazo ny distrikan’i Mandoto, kaominina Betsohana ny herinandro lasa teo  ireo miaramila avy ao Antsirabe  hampandry fahalemana any an-toerana. Nampahafantarina ny mponina ny zoma lasa teo izy ireo. Tafiditra ao anatin’ny  DAS  (Détachement Autonome de Securité) izay hetsika fanaon’ireo miaramila avy ao Antsirabe, isan-taona mba hamerenana ny fandriampahalemana any amin’ireo distrika mamaivay amin’ny asan-jiolahy izao fandefasana miaramila izao. Nosafidina manokana ity distrika ity noho ireo asan-dahalo nampitondra faisana ny vahoaka ao Mandoto tato ho ato. Voasokajy ho faritra mena amin’ny halatr’omby sy ny fanafihana tokoa mantsy ity distrika ity. Vao tsy ela akory izay no nitrangan’ilay fanafihan-jiolahy aman-jatony fokontany tao Mandoto  ity ka niafara tamin’ny fitsoaham-ponenan’ireo vahoaka tao an-toerana. Marihina fa haharitra efa-bolana ity asa fampandriana fahalemana ity.

Vicky

Les commentaires sont fermées.