Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Faran’ny herinandro an-tsary

Faran’ny herinandro an-tsary

Nifarana ny asabotsy teo, tetsy amin’ny Cercle germano-malagasy (CGM), ny « Festival du rire », fotoana iray anomezana sehatra ireo kalaza amin’ny fampihomehezana. Nanakatona tanteraka ny hetsika, tamin’ny alalan’ny fampisehoana, ry Gothlieb, Francis Turbo, Mihaja. Nahafa-po iny andiany faharoa iny. Antenaina ny hitohizan’ny « festival » isan-taona.

Tafaraka niaina ny “Revy Lôlô sy ny tariny “ indray ireo mpankafy, ny alin’ny zoma lasa teo, tetsy amin’ny Piment Café Behoririka. Nentin-dry Sammy, Benny ary Bebey nitety vanim-potoana tamin’ny alalan’ireo hira tsy tontan’ny ela ny rehetra. Niavaka noho ny mahazatra, satria maromaro ireo hira tsy dia fanaon-dry zalahy no nezahiny naverina, nozaraina ho an’ireo mpankafy.

Les commentaires sont fermées.