Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toetr’andro : hitohy hatramin’ny talata ny hatsiaka sy rivotra

Hitohy hatramin’ny talata ho avy izao ny rivotra mafy miaraka amin’ny hatsiaka mamirifiry, miharo erika indraindray eto Antananarivo, hoy ny teknisianina eny Ampandrianomby, omaly. Manjaka ny alizay matanjaka mitondra ny rivo-mahery. Mizotra amin’ny fidirana amin’ny vanim-potoana ririnina isika ary efa mitoetra sahady ny toetry ny andro miseho amin’ny ati-ririnina. Mila miomana amin’izay ny rehetra amin’ny akanjo mafana. Anio, hidina hatramin’ny 9°C ny maripana farany ambany eto an-dRenivohitra, raha hahatratra 6°C any Antsirabe.

Ankoatra izay, mbola hitsoka mafy ny rivotra mandritra ny telo andro manaraka ka mety hahatratra 60 km isan’ora indrindra amin’ny faritra atsimo andrefana, atsimo, atsimo atsinanana ary afovoany atsinanana ary avaratra atsinanana, araka ny fanambaran’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro, omaly. Entanina tsy hiandriaka intsony ny mpanjono rehetra. Toy ny rivotra, hanonja be koa ny ranomasina, mahatratra 4 m mihitsy ny haavon’ny onja.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.