Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ortana : ho any Ambatomanga ny mpitsidi-bohitra

Ortana : ho any Ambatomanga ny mpitsidi-bohitra

 Mitohy hatrany ny asa fampahafantarana ireo tanàna sy vohitra manan-tantara eto Analamanga, tontosain’ny Ortana. Hihataka kely ny Renivohitra indray izy ireo miaraka amin’ny mpitsidi-bohitra.

Tafiditra ao anatin’ireo toerana safidian’ny Ortana* hotsidihina, isan-taona, ny any Ambatomanga, 35km any atsinanan’ny Renivohitra. Tsy mahagaga! Betsaka ireo toerana manan-tantara sy mahaliana ao. Hihazo, ity tanàna, ity indray ireo mpankafy tsidi-bohitra an-tongotra, ny asabotsy izao.

Anisan’ny mahavariana ao Ambatomanga, ohatra, ny mijery ny firafitry ny trano, nalaza tany amin’ny taon-jato faha-19, ary mbola voatahiry sy voakolokolo mandraka ankehitriny. Tazana tsara ireo trano ireo raha miakatra ilay tendrombohitrakely eo avara-tanàna.

Fa tamin’ny andro faha Mpanjaka, voalaza fa mamaritra an’Imerina, raha avy any atsinanana, ny tanànan’Ambatomanga. Ao ny varavarana hidirana eto raha avy any amin’ny tanànan’ny Bezanozano. Tsy maintsy nijanona teo ny vahiny avy any atsinanana, miandry ny fankatoavan’ny mpanjakan’Imerina vao mahazo miditra.

Teo amin’ny lafiny ara-pinoana kristianina, tobin’ny misionera protestanta ny tao Ambatomanga, tamin’ny taon-jato faha-19. Tao nanomboka ny asany ry Jones sy Jeffreys, avy amin’ny LMS (London missionary society), tamin’ny alalan’ny fanorenana sekoly.

Ankehitriny, tsy misy tsy mahalala fa hita ao Ambatomanga ny ronono sy ny vokatra azo avy aminy, indrindra ny fromazy. Ao ihany koa ny mpanao asa tanana. Ireo rehetra ireo, samy ho hitan’ireo mpanao tsidi-bohitra an-tongotra, ny asabotsy izao.

Landy R.

Les commentaires sont fermées.