Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Manakara sy Taolagnaro : trano 144 indray may kila, 541 tra-boina, olona 1 maty, 3 naratra mafy

Manakara sy Taolagnaro  : trano 144 indray may kila, 541 tra-boina, olona 1 maty, 3 naratra mafy

Trano anjatony maro may kila tany Manakara sy Taolagnaro. Olona maro tra-boina, nahafaty sy nandratra olona ihany koa ny afo.

Nisehoana haitrano mahery vaika tany Manakara sy Taolagnaro, afakomaly sy omaly. Tany Andranomainty Manakara ny 9 mey teo, tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany hariva, trano 38 indray nirehitra tamin’izany. Trano biriky ny iray, trano fanitso ny faharoa, ary trano falafa ny ambin’ireo rehetra ireo. Vokany, olona 122 tra-boina tamin’ireo tokantrano 25 niharam-pahavoazana, ka olona telo naratra mafy.

Omaly indray, tokony ho tamin’ny 3 ora sy sasany maraina, trano 106 indray nirehitra tany Amparihy Taolagnaro. Vehivavy iray no fantatra fa maty tamin’izany, ary olona 420 tra-boina. Voalaza fa tsy mbola fantatra mazava ny anton’ny afo, raha ny vaovao azo tany an-toerana. Mbola anatin’ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana.

Sarotra ny famonoana afo

Nananosarotra ny asa famonoana afo sy ny famonjena ireo olona noho ny tsy fahampian’ny fitaovana tany amin’ireo faritra roa voalaza ireo. Nisy ihany ny mpamonjy voina saingy tsy ampy ny nenti-manana nampiasaina. Ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana no nifanome tanana tamin’ny famonoana ny afo sy famoahana ny entana izay zaka.

Tonga tany Manakara sy Taolagnaro ny manampahefana rehetra tamin’ireo distrika roa ireo. Nitondra fanampiana ny avy amin’ny minisiteran’ny Mponina MPPSPF sy ny BNGRC. Nisy ny fanomezana fitaovana toy ny tanty, vilany vary sns. Nisy ihany koa ny fanomezana vola 5 tapitrisa Ar. Amin’ny ankapobeny, fanampiana no azo natao amin’ny trangan-javatra tahaka izao. Nankahery sy nanentana ny olona mba hitandrina ny manampahefana manoloana ny fisorohana ny loza mety hitranga.

Yves S.

 

Les commentaires sont fermées.