Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Andohatapenaka : tratran’ny polisy ny kamiaobe nitondra toaka gasy 40 bidao

Andohatapenaka  : tratran’ny polisy ny kamiaobe nitondra toaka gasy 40 bidao

 Noraisim-potsiny! Saron’ny polisy teny amin’ny Kianjan’ny Makis eny Andohatapenaka, ny asabotsy teo ny kamiaobe iray nitondra toaka gasy miisa 40 bidao avy any Toamasina. Araka ny fanazavan’ny polisy, nahazo loharanom-baovao izy ireo fa misy kamiaobe iray avy any Toamasina nitondra toaka gasy anaty bidao maromaro niakatra aty an-dRenivohitra. Nohamafisin’ny polisy fa efa azon’izy ireo mialoha koa ny lalana sy ny toerana hijanonan’ilay kamiaobe ka nahafahana nanao ny vela-pandrika rehetra. Tratra taorian’ny vela-pandrika nataon’ny polisy ilay kamiaobe ny asabotsy tamin’ny 12 ora alina. Voalaza fa tratra teo am-pitaomana ireo toaka gasy ireo ny mpamily sy ny  mpanampy azy ary lehilahy iray hafa nanampy tamin’ny fitaomana ireto entana ireto. Nilaza ireo voarohirohy fa olona iray aty an-dRenivohitra no tompon’ireo entana ireo, ka amin’ny alalan’ny finday no ifandraisan’izy ireo. Avy any Fanandrano Toamasina ireto toaka voarara ireto. Nilaza koa ny mpamily fa 5 000 Ar isaky ny bidao ny karamany mitondra azy ireo ary efa fanaony ny mitondra toaka gasy toy izao.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.