Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsy mifankafantatra, miara-manendaka : dimy tamin’ireo jiolahy sivy voasambotry ny polisin’ny UIR

Tsy mifankafantatra, miara-manendaka  : dimy tamin’ireo jiolahy sivy voasambotry ny polisin’ny UIR

Amin’izao fotoana izao, mpanendaka tsy mifankahalala, miara-miasa manao asa ratsy refa sendra ny rembiny. Tahaka ny teny 67 ha, roa lahy nitambarana sivy lahy nandrobany azy. Aza sendra izany…

Avy nanendaka teny 67 ha akaikin’ny Parking, ny sivy lahy ny asabotsy hifoha alahady teo, tokony ho tamin’ny 3 ora maraina ka nifanenjehan’ny UIR (Unité d’intervention rapide), ary nahasamborana dimy lahy. Nisy iray tamin’ireo mbola tsy ampy taona. Lehilahy miisa roa avy nilanonana teny 67 ha hamonjy fodiana no nendahin’ireo sivy lahy teny amin’ny Parking, tokony ho tamin’ny 2 ora sy sasany maraina. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny vola mitentina 250 000 Ar sy finday iray ary rojo volafotsy. Nampandre ny polisy avy hatrany izy roa lahy. Nandeha teny an-toerana ny UIR ka ny dimy lahy no mbola tratra teny an-toerana. Rehefa nosavaina izy ireo, hita tany amin’ny iray tamin’izy ireo ilay finday vao avy nohendahina. Tamin’ny famotorana nataon’ny « Police des Mœurs et de la Protection des Mineurs » na ny PMPM Tsaralalana no nahalalana fa sivy lahy izy ireo no niaraka nanendaka azy roa lahy fa efa lasa nialoha ny efatra. Nilaza ihany koa izy ireo tamin’izany fa lasan’ireo efa-dahy ny vola sy ny rojo fa ny finday no notazonin’izy dimy lahy. Tamin’ny fanadihadiana ihany koa no nahafantarana fa tsy misy mifankahalala izy sivy lahy fa samy mpanendaka amin’iny faritra iny. Niaraka nanendaka azy roa lahy izy ireo ary samy niparitaka avy eo. Natolotra ny fampanoavana omaly ireo ary naiditra am-ponja vonjimaika avokoa.

Mandeha ny fikarohana ireo efatra hafa, izay fantatra fa tena raindahiny amin’ny fanendahana ihany koa. Manentana ny olona mba tsy hody tara loatra ny mpitandro filaminana, indrindra ireo mpivoaka alina amin’ny faran’ny herinandro.

Yves S.

 

Les commentaires sont fermées.