Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Miantso fivoriambe : mamerina ny fitakiana ny collectif des paramédicaux

Miantso fivoriambe  : mamerina ny fitakiana ny collectif des paramédicaux

Mihetsika koa ny paramédicaux amin’ny alalan’ny collectif ivondronan’izy ireo. Na mbola tsy nilaza mivantana aza fa hitokona izy ireo raha tsy voavaha ny fitakiana. Mamofompofona grevy sahady ny fanambarana nataony, omaly.   

Nifoha tamin’ny torimasony ka nanetsika indray ny fitakiana samihafa ny collectif des paramédicaux, omaly. Manoloana ny toe-javatra momba ny fitakiana ataon’ny mpampianatra, mpirakidraharaha, mpiasan’ny fonja… mahatsiaro ny paramédicaux fa fotoana indray hamerenana ny fangatahana sendikaly izy ireo. Nahazo izay tokony ho anjarany ny ankamaroan’ny fitakiana na mbola an-taratasy fotsiny ihany aza, araka ny fanehoan-kevitra omaly. Mifototra amin’ny zavatra roa lehibe ny fitakian’ny paramédicaux, ny fanavaozana ny grille indiciaire ho 1200 raha 650 izy amin’izao fotoana izao. Eo koa ny fanatsarana ny indemnité sy fangatahana ny « indemnité de risque » izay ilaina satria mifanerasera betsaka amin’ny marary izy ireo isan’andro. Hiantso fivoriambe ny collectif, ny alarobia izao, ho an’ny eto Antananarivo sy ny any amin’ny faritany rehetra. Eo no hanapaka ny tohin’ny hetsika ny mpikambana rehetra. Ivondronan’ny sendikà telo, holafitry ny mpampivelona sy ny infirmier ary ny association 20 eo ho eo ny collectif des paramédicaux.

Nanomboka ny taona 2012-2013 ny hetsika sendikaly nataon’ny paramédicaux.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.