Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fianarantsoa : tratra ny jiolahy mpangalatra moto

Fianarantsoa  : tratra ny jiolahy mpangalatra moto

Ela nitoratorahana ka voasambotry ny polisin’ny Fip tarihin’ny kaomisera Rafaliarivo Jules ihany ilay jiolahy ikoizan’ny olona ao Fianarantsoa manoloana ny firongatry ny halatra môtô lavareny ao an-toerana amin’ izao fotoana izao. Ny tapaky ny volana avrily lasa teo nanao fisavana môtô rehetra nandritra ny alina ny polisy ary nifanehatra tamin-dRakotonindrina Julien 28 taona, monina ao Vohipeno Marohomby nitondra môtô scooter Jog 50 tsy nampirehitra jiro ka nandritra ny fisavana ity farany dia hita fa ity ilay môtô very teo amin’ny Kebabs mifanila amin’ny lapan’ny Fitsarana satria tsy nisy antontan-taratasin’ilay môtô tany amin’ilay nitondra azy. Môtô fanaovana hazakazaka rahateo ary efa matetika mandrombaka ny voalohany izy ity ka mampangetaheta ny hafa ny hanana azy.

Sajo

Les commentaires sont fermées.