Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Fatin-dehilahy iray manodidina ny 60 taona eo hitan’ny olona tanaty tatatra eny Ambohikely Itaosy ny alarobia alina teo. Mpandalo no nahita ny razanaa ka nampilaza avy hatrany ny manodidina. Tsy nisy nahafantatra ilay lehilahy ny mponina ka ny fokontany no nanatitra ny razana tao amin’ny HJRA. Efa somary simba ny razana satria efa ela ihany ny nipetrahany tao anaty rano, raha ny filazan’ny mpitsabo. Tsy nisy nahita koa moa ny nilatsahany tao anatin’ilay tatatra. Marihina fa olona tsy manan-kialofana ity rangahy ity.

Fiara Peugeot 305 iray nandona môtô teny Ambohimiandra, omaly hariva, ka nitsoaka avy hatrany. Naratra mafy ilay voadona, nipitika teo ambony fitaratra mihitsy. Nenjehin’ny olona ilay fiara nitsoaka ka tratra teny Soanierana. Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka teo ilay tovolahy mpamily. Efa nentin-katezerana ny olona nahatratra azy ary efa raikitra ny an-kisintona vozon’akanjo. Natolotra ny polisy ilay rangahy.

Les commentaires sont fermées.