Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Olona dimy indray namoy raha ankizy roa kosa tsy hita popoka vokatry ny faharendrehan’ny sambo iray saika hiondrana an-tsokosoko any Mayotte, ny alahady teo. Voalaza fa niainga avy any Nosy-Be ity sambo ity kanjo rendrina an-dranomasina. Nisy ihany ireo mpandeha sasany avotra. Mitohy ny fanadihadiana momba ity faharendrehana lakana ity.

 

Lasan’ny jiolahy ny vola tanaty sakaosy mitentina 9 tapitrisa Ar nandritra ny fanafihan-jiolahy tao Ankadifotsy Analavory, ny alahady teo. Fiara vaventy iray no sendra ireo andian-jiolahy ka notorohan’izy ireo avy hatrany. Vaky ny fitaratra teo aloha ka tafajanona teo an-tampom-pianakarana ny fiara. Nitsoaka ny mpamily sy ny mpandeha rehetra tao anaty fiara.

 

Les commentaires sont fermées.