Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray mijery

Entanina ho mailo ny mpampiasa ranomasina rehetra amin’ny alakamisy fa hisy onjambe mahatratra 3 ka hatramin’ny 4 m eo anelanelan’ny morontsirak’i Morombe sy Farafangana, araka ny fanazavan’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro, omaly. Nandefa filazana fampitandremana ny teknisianina. Efa nikatona tanteraka, ny faran’ny volana avrily teo ny fotoan’ny rivodoza. Momba ny toetry ny andro, hihamafy ny tsioka Alizay manomboka ny alakamisy ho avy izao. Ho maina ny andro eto Madagasikara fa hahery ny rivotra amin’ny faritanin’i Toliara sy Fianarantsoa amin’ny faran’ny herinandro ary mety harahina orana tandrifin-drahona izany. Hidina miandalana koa ny maripana amin’ny faran’ny herinandro.

 

Les commentaires sont fermées.