Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kick-boxing – Grand Gala : hifampitady ary tsy hifampitsitsy ireo mpikatroka kalaza

Kick-boxing – Grand Gala : hifampitady ary tsy hifampitsitsy ireo mpikatroka kalaza

Raikitra ny ady goavana mandritra ny “Grand Gala de Kick-boxing” etsy Mahamasina. Saika tazana hifampihantsy amin’io hetsika io avokoa ireo mpikatroka sangany. Tsy hifampitsitsy, araka izany, izy ireo fa avy hatrany dia ady.

Hangotraka ny ady. Raikitra ny “Grand Gala de Kick-boxing” karakarain’ny maître Boto Gilbert miaraka amin’ny federasiona malagasy (FMKB/DA) tarihin’ny filohany, Andrianirina Briand, ny alahady 1 mey izao, etsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina.

Araka io anarana nampitondraina ny hetsika io, saika tazana mandray anjara amin’izany ireo mpikatroka kalaza sy mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy lahy sy vavy. Noho izany, hifampihantsy ireo samy sangany iray sokajy rehetra.

Hahita katrok’ady goavana ireo mpankafy amin’ity indray mitoraka ity. Raha eo amin’ny sokajy vehivavy 48 kg izao, i Mioratiana hidona amin’i Claudia ary eo amin’ny 52kg, i Faratiana, hifandrefy fahaizana amin’i Fahendrena. Toraka izany koa ny eo amin’ny sokajy 56 kg, hifampitana i Aline sy Larissa.

Fa anisan’ny ady tena andrasana amin’io ihany koa ny eo amin’ny “challenge”, izay misy ireo sangany lehilahy, indrindra eo amin’ny sokajy 57 kg misy an’i Rojolalaina, Naval, Alain Tovoson, sns. Eo ihany koa ny eo amin’ny 71 kg misy an-dry Voahary, Mahery, Espérent ary Elie. Marihina mantsy fa amin’ireo sokajy roa ireo no hifantenana ireo hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika eo amin’ny Pro. Hetsika hotanterahina any Gabon, ny 28 mey izao.

Ankoatra izay, anisan’ny hetsika hifantenana ny ekipa nasionaly amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika “amateurs” ihany koa ny “Grand Gala” ary koa hanomanana ny fiadiana ny tompondaka eran-tany sokajy zandriny any Irelande.

Hiady tanteraka, araka izany, ny fihaonana etsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, ny alahady 1 mey izao. Tsy hifampitsitsy ireo mpikatroka. Hanomboka amin’ny 10 ora maraina ny hetsika amin’izany.

M.N.

Ny fandaharana:

Vavy:

48 kg

  • Mioratiana # Claudia

52 kg

  • Faratiana # Fahendrena
  • Nadine # Toly Claudia

56 kg:

  • Aline # Larissa

Lahy:

48 kg

  • Patsa # Sambatra

51 kg

  • Lavakely # Rockaya

54 kg

  • Billy # Papelika
  • Menavolo # Michel

57 kg

  • Nirina # Zo
  • Odilon # Faray
  • Jhonny # Njaka

Challenge:

57 kg

  • Naval # Tovoson
  • Rojolalaina # Alain

63.5 kg

–     Fazarally # Jimmy

–     Todisoa # Tafita

71 kg

  • Mahery # Elie
  • Voahary # Esperent

 

 

Les commentaires sont fermées.