Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« International jazz day » 2016 : any Miarinarivo ny Jazz Club CGM

« International jazz day » 2016  : any Miarinarivo ny Jazz Club CGM

30 avrily, « International jazz day » na Andro iraisam-pirenena ho an’ny mozika jazz. Manamarika izany any Miarinarivo Itasy ny tontolon’ny jazz eto Madagasikara. Toy ny tamin’ny taon-dasa, hanatanteraka atrikasa sy fitendrena ao amin’ny Centre Alabri, ny Jazz Club CGM, anio tolakandro. Haneho ny talentany mandritra ny fizarana voalohany amin’ny kaonseritra ry zareo avy ao amin’ity foibe ity. Ny Jazz Club CGM kosa no hiaka-tsehatra amin’ny fizarana faharoa. Tohizina amin’ny afon-dasy ny fiarahana ny alina. Nomarihin’ny tompon’andraikitry avy ao amin’ny Cercle Germano-Malagasy fa vokatry ny fahitana ny hakanton’ny hetsika tamin’ny herintaona, marobe ny fangatahana tonga tany amin-dry zareo ny amin’ny tokony hankalazana hatrany ny « International jazz day » any Miarinarivo Itasy.

Marihina fa ny sampandraharaha eo anivon’ny Firenena mikambana misahana ny kolontsaina sy ny fanabeazana mihitsy no mankato ny hisian’ny andro iray natokana ho an’ny jazz, noho ity mozika ity, afaka manatsara ny fifandraisana sy ny fahaiza-mihaino ananan’ny olona tsirairay, ka ahafahany manatsara ny fiarahamonina misy azy.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.