Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Morafenobe : maty voatifitry ny zandary ireo jiolahy nanolana ilay Karana vavy

 Lavon’ny balan’ny zandary afakomaly, tao Ampasimena Morafenobe, ireo jiolahy roa lahy tompon’antoka tamin’ny famonoana ilay teratany karana vavy antsoina hoe Femena Samcoidine, ny alahady lasa teo. Lahinirina Elysé sy Levahoita ny anaran’ireo jiolahy raindahiny ireto, araka ny tatitra nampitain’ny zandary avy any an-toerana. Nohamafisin’ny zandary hatrany fa malaza ratsy amin’ny fakana an-keriny sy fanafihana mitam-piadiana izy roa lahy ireto. Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny kaompanian’i Morafenobe izy ireo, ny talata teo. Afakomaly kosa rehefa nentin’ny zandary ho any Ampasimena izay trano fonenany mba hanatanterahana didy fampisavana trano izy roa lahy. Teny an-dalana anefa, nitsoaka tampoka ry zalahy. Notifirin’ny zandary avy hatrany izy roa lahy ka maty tsy tra-drano. Nalevin’ny fokonolona kosa ny fatin’ireto dahalo ireto.

Tsiahivina fa tamin’ny fomba feno habibiana no namonoan’ireo jiolahy ilay Karana vavy tao Morafenobe. Tsy vitan’ny naolana fa mbola novonoina ary nahantona tamin’ny tady ihany koa ny fatiny. Nifatotra tongotra aman-tanana ary voatapim-bava izy tamin’ny fotoana nahitana ny razana.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.