Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Haody : manakanto lian-kanto…

… Ka tsy izay anie ny olana e ! Ny famaritana ny kanto mihitsy no samihafa. Mety ho liana amin-javatra kanto ihany ny mpanakanto, fa tena kanto tokoa ve ilay mahaliana ? Fanontaniana saro-baliana ireo, saingy mety ho azo ihany raha manana fahasahiana mamaritra ny atao hoe « kanto » ny tsirairay.

Mety ho azo hamaritana ny kanto ihany, angamba, ny fomba amam-panao… Saingy tsy azo hadinoina fa marobe ihany koa ny Malagasy efa tsy mahalala intsony ny fombany. Vokany, hiova hanaraka izay tsy fahalalana izay ny famaritana ny kanto.

… Fomban’ny Malagasy, ohatra, ny miolaka raha miteny, saingy tsy kanto intsony « hono » ny hira na tononkalo, sns, miolaka fa aleo tonga dia vantanina ! Kanto ve ny tahaka izany sa tsia ? Anjaran’ny tsirairay ny mamaly io fanontaniana io.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.