Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Capital Feeling : homen-danja ny « danse de salon »

Andro ho an’ny dihy tokoa ny androany, 29 avrily (Andro eran-tany ho an’ity zavakanto ity). Anisan’ny hetsika goavana, hotanterahina anio tolakandro, ny « Thé dansant », karakarain’ny Federasiona malagasy misahana ny dihy ara-panatanjahantena sy ny « danse de salon » (FMDSS) sy ny kaompania MC Rija ary ny Capital Feeling. Hotontosaina etsy amin’ny Capital Feeling, Immeuble Capital Center, etsy Analakely izany.

Hatevina ny fandaharam-potoana fa anisan’ny hisongadina ny fiarahan’ny rehetra mandihy (« danse de salon), ho fanomezan-danja ity karazan-dihy ity. Eo koa ny fampianarana dihy maimaimpoana ho an’ireo rehetra tonga hiara-hilanonana. Tsara ny manamarika fa, toy ny tamin’ny taon-dasa, samy hiakanjo fotsy sy mainty ireo mpandihy sy izay rehetra ho avy eny an-toerana, raha mena sy mainty ny tamin’ny herintaona.

Ankoatra ny fanentanana sy fialamboly, ampahafantarina amin’io fotoana io koa ireo mpikambana ao amin’ny birao vaovaon’ny federasiona sy ny fandaharam-potoany mandritra ity taona ity.

Ambohipihaonan’ny mpankafy mandihy sy miala voly ny Capital Feeling, etsy Analakely. Isaky ny alarobia sy zoma ary asabotsy, misy hatrany ny fampianarana mandihy sy ny fiarahana « manala azy » ao amin’ity foibe ity.

Landy R.

Les commentaires sont fermées.