Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Zaka tsara : tsy hita be ihany…

Misaritaka, tsy misy fanazavana, samy manao ny ataony… Izay ny toe-draharaham-pirenena, raha ny eto Antananarivo Renivohitra. Hafa ny any amin’ny faritra sy ny any ambanivohitra: toy ny tsy misy na inona na inona iny…

Na izany aza, tsy mandeha amin’izay izy ny raharaham-pirenena, indrindra ny fiainan’ny vahoaka ifotony: tsy fandriampahalemana efa ho lava, fidangan’ny vidim-piainana isan’andro vaky, tsy fisian’asa tsy misy fiovana …

Fanambin’izao governemantan’ny ady izao ny hoe famerenana ny hasim-panjakana, ny ady amin’ny tsy fandriampahalemena, ny ady amin’ny kolikoly, ny ady amin’ny fahantrana… Amin’ny fomba ahoana? Avela, hono, hiasa…

Mbola maharesy lahatra sy azo antoka hahavita zavatra ve? Hatramin’izao, tsy mbola misy, ohatra, izay hoe tena fanapahan-kevitra hentitra amin’ny fanalefahana ahay ny fahasahiranam-bahoaka. Tsy hita be ihany, miharatsy aza.. Mandra-pahoviana?

R. Nd.

 

Les commentaires sont fermées.