Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Raim-pianakaviana iray indray natelin’ny ranomasina tao amin’ny fokontay Manakambahiny Sahamatevina Vatomandry, ny alatsinainy teo. Voalazan’ny fampitam-baovao avy an-toerana fa dokotera mamita iraka miaraka amin’ny Armada ity niharam-boina ity. Nahita ny fatiny teo amon-dranomasina ny fokonolona. Ny borigadin’ny zandary ao Vatomandry no manao ny famotorana.

Dahalo nitondra basy Kalachnikov iray no niditra an-keriny nangalatra omby tao Ankerivato Ankaramainty Ambositra, ny alatsinainy maraina teo. Nisy ny fifandonana teo amin’ireo dahalo sy ny zandary avy ao Ambatofitorahana nandritra ny fiambenana ny kizo. Tafaverina ny omby, tsy nisy kosa ny aina nafoy.

Les commentaires sont fermées.