Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mahavatse II : mirongatra ny vaky trano

Tsy laitra iainana ! Trano telo sy efatra isan-kerinandro indray vaky ao amin’ny fokontanin’i Tsimenatse I sy Mahavatse II. Fahitalavitra, vilany ary entana maro samihafa no lasibatr’ireo olon-dratsy. Ny asabotsy alina lasa teo, tranona polisy mihitsy no novakin’ireo olon-dratsy ka lasa tamin’izany ny entana sarobidy samihafa tao an-trano. Ny talata teo indray tao Tsimenatse I, tokantrano iray notafihin’ny jiolahy. Lasan’izy ireo tamin’izany ny entana tao an-dakozia. Tamin’io fotoana io ihany, tao Mahavatse II tokantrano iray hafa koa niharan’ny fanafihana. Misy ny fisafoana ataon’ny mpitandro filaminana ao an-tanàna, saingy tsy mampihontsona ireo mpanao ratsy izany, raha ny tatitra voaray. Voalaza fa vokatry ny fisian’ny dinabe, hany ka lasa mandositra mankany an-tanàn-dehibe ireo olon-dratsy.

Efa tena mahasahy mihitsy ry zalahy matoa manafika tranona mpitandro filaminana. Midika izany fa tsy mifidy olona hotafihina intsony ireo jiolahy.

CMS

 

Les commentaires sont fermées.