Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Filankevitry ny minisitra : nirarakompana ny fanendrena tale

 Ho lany andro am-pisikinana eto indray mandritra ny taona ? Maromaro ireo fanesorana sy fanendrena tale sy tale jeneraly na koa talen’ny fandaharanasa eny anivon’ny minisitera samihafa, tamin’ny filankevitry ny minisitra, omaly teny Iavoloha.

Samy nesorina amin’ny toerany avokoa ny tale jeneralin’ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny fandaharanasa ary ny tetibola eo amin’ny minisi-panjakana misahana ny fandaharanasan’ny filoham-pirenena sy ny fanajariana ny tany. Tahaka izany koa ny talen’ny fanaraha-maso eo anivon’ity minisi-panjakana ity. Tsy mbola notendrena kosa ny solon’izy ireo.

Dimy be izao kosa ireo tale vaovao samihafa nisolo ny teo aloha, eo anivon’ny minisi-panjakana misahana ny Fambolena sy ny fiompiana. Enina kosa ireo tale nesorina saingy tsy mbola misy solony.

Tale roa sy sekretera jeneraly iray kosa no notendrena eo anivon’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka. Nanao tohivakana amin’ny minisitera hafa izany. Ohatra ny an’ny Indostria ; ny Varotra ; ny Angovo ; ny Asa ; ny Tontolo iainana ; ny Jono ary ny eo anivon’ny minisiteran’ny Mponina.

Vao notendrena tamin’ny taon-dasa anefa ireo nesorina ireo. Miova sata, miova andriana ?

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.