Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Bongolava : maty ilay zandary voatifitry ny dahalo

Maty omaly maraina tao amin’ny hopitalin’i Tsiroanomandidy, ny G1C Randrianaivo Hugues Patrick, miasa ao amin’ny Poste avancé Betsipolitra. Voalazan’ny fampitam-baovao fa naratra nandritra ny fifandonana tamin’ny dahalo tao Betsipolitra, distrikan’i Miandrivazo, ny 19 avrily 2016 teo ity zandary ity. Mafy ny fifandonana tamin’ireo dahalo ka nitarika ny faharatran’ilay zandary. Efa nakarina ao amin’ny borigady ao Tsiroanomandidy miandry ny fianakaviany. Any Isandra Fianarantsoa koa no handevenana ny razana.

Miaina ao anatin’ny fangirifiriana tanteraka ireo zandary miasa any amin’ny faritra mena amin’ny asan-dahalo. Be noho vitsy ireo manoloana ireo dahalo mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika. Tsy ampy rahateo ny isan’ny olona sy ny fitaovana ahafahana mifanandrina amin’ireo dahalo. Voasokajy ho isan’ny faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana any amin’iny distrikan’i Tsiroanomandidy iny. Mitaintaina andro aman’alina ny mponina, saingy tsy afa-manoatra manoloana ny fitaovam-piadiana eny am-pelatanan’ny dahalo.

Aiza ny tompon’andraikitra mivantana amin’ity tsy fandriampahalemana miseholany sady tsy ahitam-bahaolana ity ? Efa maro ihany izay zandary namoy ny ainy vokatry ny fifandonana tamin’ny dahalo izay.

J.C

Les commentaires sont fermées.