Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambatomainty : olona iray maty voatifitry ny dahalo

Mirongatra izaitsizy ny asan-dahalo ao amin’ny kaominin’Ambinany, distrikan’i Sakaraha. Andian-dahalo miisa eo amin’ny 70 eo ho eo indray nanafika tao amin’ny fokontany Ambatomainty. Raim-pianakaviana iray maty tsy tra-drano notifirin’ireo malaso, lasan’ireo kosa ny omby miisa 11. Araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana, naharitra adiny telo ny fifandonan’ny fokonolona sy ireo dahalo satria tratran’ny be noho vitsy ny fokonolona. Na teo aza izany, nanaiky lembenana rahateo izy ireo nandritra ny fifandonana.

Nahitana halatra ombin-tsarety koa tao Bevilany sy tao Antsohamadiro, ny talata teo. Manahy, araka izany, ny mponina fa misy ambadika ny asan-dahalo amin’iny faritra iny. Manao antso avo, ny ben’ny Tanànan’Ambinany izay efa nanao tatitra tany amin’ny ambaratongam-pahefana rehetra mba handraisan’izy ireo andraikitra manoloana ny tsy fandriampahalemana any an-toerana. Tsy nisy valiny anefa izany, ireo olona tsy manan-tsiny no mitondra faisana amin’ny afitsok’ireo dahalo.

CMS

Les commentaires sont fermées.