Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fantina sy fintina

Noraisin’ny filoha Rajaonarimampianina, teny Iavoloha omaly, ny delegasion’ny Vaomieram-pifidianana eo anivon’ny firenena mpikambana amin’ny Sadc (ECF-Sadc),

Juge Mahapela Lehohia. Nitarika azy ny filohan’ny Ceni, Rakotomanana Herinirina. Nivoitra tamin’ny dinika ny tokony hidiran’ny Ceni eto amintsika ho mpikambana eo anivon’ny ECF-Sadc. Efa ao anatin’ny fanomanana ny fifidianam-paritra sy faritany ary koa ny fifidianana filoham-pirenena rahateo isika, araka ny nambaran’ny filohan’ny Ceni. « Ahazoana tombony rahateo eo amin’ny fanohanana ara-pitaovana sy fahaiza-manao ny fidirana amin’izany », hoy ny vahiny.

Hivory ara-potoana voalohany hanomboka ny talata 3 mey izao ny eo anivon’ny Antenimierampirenena. Tombanana ho anisan’ny tafiditra amin’ny lahadinika eny Tsimbazaza ny handinihana ny sata mifehy ny fifandraisana sy ny serasera. Eo koa ny volavolan-dalàna momba ny hananganana ny Filankevitry ny fampihavanana (FFM).

Na izany aza, tsy azo ihodivirana ny mety hisehoan’ny fanehoan-kevitra samihafa eo amin’ireo depiote momba ny nanesorana ny praiminisitra teo aloha, sy ny nanendrena ny vaovao.

 

Les commentaires sont fermées.