Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Magro Ankorondrano : tsy miraharaha ny didim-pitsarana ny Tiko

Magro Ankorondrano  : tsy miraharaha ny didim-pitsarana ny Tiko

Maro ny nahatsikaritra fa ahitana kaontenera maromaro an’ny orinasa Tiko, etsy amin’ny Magro Ankorondrano. Nametrahana vavahady ihany koa eny an-toerana. Raha ny didim-pitsarana anefa, tsy azon’ity orinasa ity hatao ny mampiasa io toerana io. Izany hoe, iniana atao ny mandika sy tsy miraharaha ny lalàna manankery, fa mihevitra ho azy ny tany.

Tsy hita, araka izany, izay fepetra raisin’ny governemanta amin’ny fampiharana ny lalàna na koa miara-mitsikomba amin’ity orinasa ity, indrindra tany manan-tompo ny eny Ankorondrano, fa manofa ihany ny Tiko.

Tsiahivina fa tsy nandoa ny hetrany an-taonany maro ity orinasa an’ny filoham-pirenena teo aloha, ity.

Randria

Les commentaires sont fermées.