Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Madagasikara : 1.000 taona nanimbana ny ala ny malagasy

Madagasikara  : 1.000 taona nanimbana ny ala ny malagasy

Zara raha ny 10%-n’i Madagasikara ihany sisa ny ahitana ala. Nanamafy ny fanadihadiana nataon’ny manampahaizana amerikanina fa efa nahatratra 1.000 taona izao ny nahafoana ny ampahany betsaka amin’ny ala eto amintsika, nodoroan’ny mponina, nanaovana kijana ho an’ny biby fiompy. Araka ny fikarohana nataon’ny Ivontoerana momba ny teknolojia any Massachusetts (Mit), nohalalinina ny akora vitsivitsy tanaty lavabaton’Anjohibe any avaratra andrefan’ny Nosy, ny taona 2014. Nohadihadiana ny taonan’ireo singambato « stalagmites » tamin’ny fitiliana ny tahan’ny karbona. Fantatra fa efa mihoatra ny 100 taona ny zava-maniry nisolo ireo hazo sy ny ala. Voaporofo tamin’ny fitiliana ny fivangongoan’ny oksizena, fa avy amin’ny nataon’ny olombelona ny naharingana ny ala teto Madagasikara fa tsy avy amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro velively.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.