Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vivo Energy Madagascar : hanohy ny asa ny tale vaovao, Kader Maiga

Vivo Energy Madagascar  : hanohy ny asa ny tale vaovao, Kader Maiga

Handray ny asany, manomboka ny 1 mey 2016 ny tale jeneraly vaovao, Kader Maiga, hitantana ny Vivo Energy Madagascar, ny hahafantaran’ny rehetra azy, orinasa mpivarotra solika mitondra ny anarana Shell eto Madagasikara. Izy no handimby an’i Pramoth Domun, tale jeneraly nanomboka tamin’ny 2011.

Notsiahivin’ny tale teo aloha ny tanjona napetraka tamin’ny fotoana nandraisany ny andraikiny izay tao anatin’ny krizy. Hita anefa ny fahombiazana ankehitriny, anisan’izany ireo tolotra vaovao manaraka ny fivoaran’ny teknolojia, ny tsy fisian’ny loza nitranga amin’ireny toby fivarotan-tsolika Shell ireny. Nambarany ihany koa ny fanampiana sosialy samihafa nentin’ny orinasa ho an’ny sekoly. Ny tale jeneraly vaovao kosa, olona manana traikefa, izay efa talen’ny Vivo Energy Guinée nandritra telo taona.

M.C

Les commentaires sont fermées.