Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tarika Dian-Hay : hivoaka ny « Mifankatiava »

Tarika Dian-Hay  : hivoaka ny « Mifankatiava »

Hivoaka amin’ny fomba ofisialy eny amin’ny Jao’s Pub Ambohipo mandritra ilay « cabaret » lehibe tontosain’ny tarika Dian-Hay, anio, ilay rakikira voalohany nampitondrain’izy ireo ny lohateny « Mifankatiava ». Rindrantsary 11 ny ao anatiny. Mandritra io fotoana io rahateo no hihirany an-tsehatra ireo hira rehetra voarakitra ao anatin’ity vokatra vaovao ity. Amin’ny ankapobeny, maneho resa-pitiavana ny hiran’i Dian-Hay. Mampiasa gadon-kira samihafa anefa ity mpanakanto ity. Mifototra amin’ny nentin-drazana toy ny mangaliba, malesa, batrelaka, sns. Somary hampihaingony amin’ireo gadona avy atsy Afrika izany. Mampiavaka an’i Dian-Hay rahateo ilay fifehezana ny fanentanana mandritra ny « cabaret » lehibe tahaka itony.

Raha ny fanazavany, nanasa mpanakanto mpanakanto maro hiaraka aminy izy mandritra ity « cabaret Manal’azy » ity. Anisan’ireny i Dat’Kôtry na ilay mpanjakan’ny batrelaky avy any atsimo atsinanana. Aorian’io « cabaret » hotontosaina anio alina io, hitety faritra amin’izany ny tarika, hany ka mety ho ela indray vao ho tafaverina eto an-dRenivohitra.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.