Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Raharaha andramena » : hamitaka mpividy iraisam-pirenena ny fanjakana?

« Raharaha andramena »  : hamitaka mpividy iraisam-pirenena ny fanjakana?

Nahitana hazo tsy andramena tamin’ireo nogiazana tatsy Maorisy ary naverina eto Madagasikara ny 31 marsa teo. Mikasa ny hivarotra azy ireo ny fanjakana nefa mbola voararan’ny rafitra iraisam-pirenena Cites.

Mampiahiahy ny manodidina ireo andramena nokasaina naondrana tany Azia, saingy sarona tao amin’ny Nosy Maorisy ny taona 2011 ary tonga eto amin’ny seranan-tsambon’ i Toamasina ny 31 marsa teo. Nanatrika ny fitsenana azy ireo ny ministra roa lahy, ny misahana ny Fitantanam-bola sy ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny Ala teo aloha.

Nanomboka tamin’ny 3 ora tolakandro ny fanisana ireo andramena ary nifarana tamin’ny 11 ora alina. Fantatra fa tamin’ireo lanja 120 t, nisy hazo bolabola tsy andramena niisa 184.

Terena hatao tolobidy iraisam-pirenena

Misy ny loharanom-baovao milaza fa saika entina hamitahana ny mpividy azy any Azia ny antony nampidirana ireo hazo hafa ireo tao anatin’ny tena andramena. Ny marain’ny 1 avrily, nosarahana ny kaontenera nisy ny tena andramena sy ny hazo hafa.

Nambaran’ ireo minisitra roa, ny 31 marsa, raha nanontanian’ny mpanao gazety fa hanaovana tolobidy iraisam-pirenena ireo hazo ireo, ka izay no nanavahana azy tsara mba tsy hanaratsy endrika amin’ny tsena iraisam-pirenena sy ny fifandraisana ara-diplaomatika amin’ny firenena mety hividy azy.

Naverina nafangaro

Telo andro teo ho eo kosa kanefa izay, re ankehitriny amin’ny alalan’ny loharanom-baovao teny anivon’ny seranan-tsambon’ i Toamasina, nanagiazana ireto harem-pirenena ireto, fa toa nafangaro amin’ny tena hazo andramena ihany ireo hazo hafa. Hoentina hamitahana ny mpividy iraisam-pirenena ve izany…?

Manampy izany, tsy mbola nahazo alalana hivarotra ny andramena i Madagasikara satria noraran’ny rafitra iraisam-pirenena misahana ny varotra biby sy zavamaniry ahina ho lany tamingana Cites. Sa havoaka amin’ny fomba an-tsokosoko ary hanaovana taratasy ara-dalàna toy ilay raharaha mampiteraka resabe any Singapour indray?

Sajo

Les commentaires sont fermées.