Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nanampy an’i Sitraka ny fianarany asa tao amin’ny DHL

Nanampy an’i Sitraka ny fianarany asa tao amin’ny DHL

Iray amin’ireo tanora mpianatra enina notolorana ny taratasy manamarina ny fahavitany ny fianarana asa teo anivon’ny orinasa DHL Rakotoniaina Sitraka, 21 taona. Avy ao amin’ny fikambanana SOS Village d’enfants ny tenany ary nobeazina tao hatramin’ny faha- 9 taonany miaraka amin’ny iray tampo enina. Momba ny informatika no nohalalininy tao amin’ny DHL nandritra ny telo volana (aogositra –oktobra 2015). Manampy azy betsaka amin’ny fianarany ny fianarana asa satria taona fahatelo ao amin’ny oniversite tsy miankina ASJA Antsirabe izy ao amin’ny lalam-piofanana fifandraisan-davitra. Hita mivantana ny lesona any am-pianarana mandritra ny fandraisana ao amin’ny DHL, araka ny fanazavany. Manomana ny Licence izy ankehitriny ary vonona ny hanohy hatramin’ny DEA. Monina eny amin’ny logement intermediaire ao Antsirabe i Sitraka ary iantohan’ny fikambanna avokoa ny filany rehetra amin’ny sakafo, fitafiana, saram-pianarana.

Nohavaozina omaly koa ny fiaraha-miasa eo amin’ny orinasa DHL sy ny SOS village d’enfants anatin’ny tetikasa « Go teach ». Nanamarika ny tale jeneralin’ny DHL ; Rakotondraibe Mamy fa efa nanomboka ny taona 2009 ny fiaraha-miasa teo amin’ny roa tonta. Ho an’ny taona 2016, hahatratra 20 ny tanora avy amin’ny fikambanana hianatra asa eo anion’ny orinasa DHL. Fanavaozana hoentina ny lohahevitra « Fahalalana asa vaovao » hatao mandritra ny 20 andro ho an’ny tanora ihany avy eto Antananarivo, Antsirabe ary Toamasina. Handray azy ireo ny DHL sy ny orinasa mpiara-miasa 30 hafa.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.