Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Club Mihary Madagasikara : ifantohana ny fizahantany sy ny tontolo iainana

Club Mihary Madagasikara : ifantohana ny fizahantany sy ny tontolo iainana

Hiatrika ny fiovaovan’ny toetr’andro! Nijoro ny novambra 2015 ny fikambanana tsy miankina Club Mihary Madagasikara. Tanjona ny fahafahana mamorona asa, indrindra ho an’ny tanora. Sehatra azo ampiroboroboana amin’izany ny fizahantany maharitra sy ny lafiny tontolo iainana, indrindra ny fiatrehana izao fiovaovan’ny toetr’andro izao.

Mahatratra 220 ny mpikambana ao aminy manerana ny faritra 14 eto Madagasikara. Nilaza ny mpandrindra ny Club Mihary Madagasikara, Razafindrakamia Mihary Jean Aurelien, fa hisy fanentanana hatao any amin’ny faritra folo (Diana sy Nosy Be, Menabe, Atsimo Andrefana, Anosy, Matsiatra Ambony, Atsimo Atsinanana, Vatovavy Fitovinany, Vakinankaratra) ny 4 jona ho avy izao. Tanjona ny hizarana fahalalana amin’ireo tanora eny ifotony sy hamoronana asa isam-paritra. Mifanakaiky amin’ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fizahantany (1 jona) sy ny ho an’ny Tontolo iainana (5 jona) rahateo io 4 jona io. Efa nisy atrikasa natao ny volana marsa teo.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.