Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Angovo : mbola olana goavana ny Jirama

Angovo  : mbola olana goavana ny Jirama

 Notanisain’ny minisitra teo aloha, Horace Gatien, ireo tetikasa ao amin’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo, tamin’ny fotoana famindram-pahefana teo aminy sy ny minisitra Ramanantsoa Rodolphe. Anisan’ny lehibe amin’izany ny famatsiana herinaratra any ambanivohitra, miainga avy amin’ny angovo azo havaozina avokoa, rano, masoandro sy rivotra. Misy ny asa efa natomboka amin’ireo, ny any Soavina, Mahaboboka, Morarano Kraoma, sns. Mbola misy tetikasa maro hafa nofaritana any amin’ny faritra Sava, Sofia, Bongolava, Ihorombe, fanodinana herinaratra avy amin’ny rano avokoa, izay samy manana ny tanjany.

Ny eto Antananarivo sy mifandray aminy, asa lehibe miandry ny fametrahana milina fahefatra ao Andekaleka ary vao haingana ny nahazoana famatsiam-bola avy amin’ny Banky iraisam-pirenena ny fanarenana ny Jirama, izay mbola olana goavana amin’izao fotoana izao. Tanjona, tsy hanampy ny Jirama intsony ny fanjakana amin’ny taona 2020. Ny zava-misy ankehitriny, tsy misy afa-tsy 20 % ny angovo azo havaozina ary 80 % mandeha amin’ny solika. Tokony hifamadika izany amin’ny 2020. Ny minisitra Ramanantsoa Rodolphe kosa, nanome toky fa hanohy ny asa. Tsy vahiny rahateo izy fa efa nitazona io andraikitra io teo aloha.

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.