Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Zavamaniry vaovao : tsy ilana siramamy intsony ny fampiasana ny stevia

Zavamaniry vaovao : tsy ilana siramamy intsony ny fampiasana ny stevia

Misy zavamaniry vaovao, ambolena any Brickaville, voalaza fa azo itsaboana ny diabeta. Tsy hita eny an-tsena anefa fa natokan’ny mpamboly azy haondrana any ivelany.

Misy karazan-javamaniry vaovao, nohafarana tany Sina, antsoina hoe stevia, ambolena any amin’ny kaominina Savalaina, distrikan’i Brickaville. Voalaza fa mahasolo siramamy sy azo iadiana amin’ny aretina diabeta ity zavamaniry ity, volena amina hekitara any an-toerana. Ambolena anaty tranoheva manokana ny zana-kazo ary afindra amin’ny velaran-tany midadasika avy eo. Nilaza ny mpikarakara azy fa azo atao dité ka tsy mila siramamy intsony ny stevia. Nandritra ny fanoharana nataonay, mamy tokoa ny rano mafana nasiana ity zavamaniry ity, ka lasa dite vita ho azy.

Tsy mbola hita eny an-tsena izy ity, fa manomana ny hanondranana azy any ivelany ny orinasa mamboly azy.

Fampidirana an-tsokotsoko
Tsy mazava kosa raha efa nanaovana fitiliana teny amin’ny Institut Pasteur na ny sampandraharan’ny minisitera misahana ny zavamaniry sy ny sakafo na ny ara-pahasalamana ity zavamaniry ity.

Tsy sambany nahitana zavamaniry sy biby nampidirina an-tsokosoko na mazava eto amintsika, nefa tsy nitondra voka-tsoa. Toy ny karazam-borona marotaina, ny radaka boka, ny trondro fibata, ny konko mangidy, sns.

Sajo

Les commentaires sont fermées.