Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ramilijohn Toky : « Mila omena sehatra ny veterinera tanora »

Ramilijohn Toky : « Mila omena sehatra ny veterinera tanora »

Anisan’ny andrin’ny sehatry ny fiompiana ny fahasalaman’ny biby. Mitazona andraikitra goavana amin’izany ireo mpitsabo biby isan-tsokajiny. Ho fampivoarana sy hampandrosoana ity sehatra ity ary, naneho ny heviny Ramilijohn Toky, manampahaizana momba ny fitsaboana biby nianatra izay tany ivelany. « Mila sehatra tsara hampiharany ny fahaizana norantoviny ireo mpitsabo biby tanora, ankehitriny. Mila fiaraha-miasa sy fifampizarana traikefa amin’ireo zoky izahay mba hanatsarana hatrany ny asa. Efa fanomanana mpandimby ihany koa izany, satria maro ireo efa manakaiky ny fisotroan-dronono », hoy izy raha tafaresaka tamin’ny mpanao gazety. Manainga ireo zoky sy raiamandreny efa voky traikefa eo amin’ny sehatry ny fitsaboana biby, araka izany, ireo tanora nefa manam-pahaizana hifanampy amin’izy ireo hahazoana vokatra tsara, ary hamahana ny olan’ny mpiompy.

Marihina fa mbola tsy ampy ny isan’ny mpitsabo biby raha ny eto Madagasikara, raha ny antontanisa azo. Misedra olana ny any ambanivohitra, noho izany, ka miteraka tsy fahatomombanan’ny fiompiana izay seha-piharian’ny tantsaha izany. Anisan’ny nitondran’ity manampahaizana manokana ity fanazavana ny mikasika io. Mila jeren’ny minisitera mpiahy izany mba tena hipaka any amin’ny sarambabem-bahoaka ny asan’ny mpitsabo biby, araka ny fanazavany.

Andry F.

Les commentaires sont fermées.