Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Lalana Mantasoa-Ambatolaona : tsy vita rarivato hatramin’ny farany

Lalana Mantasoa-Ambatolaona  : tsy vita rarivato hatramin’ny farany

Tsy misy fanaraha-maso! Noraisina ara-teknika, andro vitsy lasa izay ny lalana avy eo Ambatolaona mihazo an’i Mantasoa. Raha nojerena ny famoaham-baovao informatika (site) an’ny Fahefana mandrindra ny tolo-barotra an’ny fanjakana (ARMP), fantatra fa mahatratra 751.691.098, 63 Ar ny tetibola nanamboarana ity lalana ity, mirefy 8 km. Nahazo ny tolo-bidy hanao ny asa ny orinasa Necoba. Araka ny lalàna, tsy misy ny antso fanaikana tolo-bidy (avis d’appels d’offres) fa famoahana peta-drindrina avy hatrany mandritra ny 10 andro raha latsaky ny 1 miliara Ar. ny tombam-bidy.

Mitentina 93 tapitrisa Ar ny 1 km

Hita fa fanarenan-dalana ity tokony ho natao ity fa tsy fikojakojana. Raha ny filazan’ny mponina eny an-toerana, tokony ho natao rarivato (pavage) manontolo, fa tsy ny ampahany ihany araka ny hita, izay nopasohana fotsiny. Iaraha-mahita ny tetibidiny, maherin’ny 751 tapitrisa Ar, izany hoe, manodidina ny 93 tapitrisa Ar ny manao ny lalana 1 km, nopasohana fa tsy natao rarivato manontolo.

Aiza ny fanaraha-mason’ny fanjakana?

Tsikaritra koa fa tsy nahitana takela-kazo manazava ny antsipiriany teny an-toerana nandritra ny fanaovana ny asa. Raha ny hita tao amin’ny famoaham-baovaon’ny ARMP, hany hita tao ny fotoana nanombohana (3 jolay 2015), fa tsy nisy ny fanombohana sy ny famaranana, izany hoe, ny fe-potoana faharetan’ny asa. Manana andraikitra hijery ny fanomezana tolo-barotra an’ny fanjakana ny orinasa tsy miankina toy izao ny Fanaraha-maso ankapobeny ao amin’ny fanjakana (IGE), ny sampandraharaha mpanara-maso ny volam-panjakana (Contrôle financier), ny Bianco, sns.

Randria

Les commentaires sont fermées.