Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fantina sy fintina

Hanomboka, anio, ny fitokonan’ny Sendikàn’ny mpirakidraharaha eny anivon’ny fitsarana. Toy izany koa ny an’ireo mpandraharahan’ny fonja. Anisan’ny takin’izy ireo amin’izao fitokonana izao: ny amin’ny tambin-karama, ny fampitaovana… Faobe manerana an’i Madagasikara izao fitokonana izao. Efa nilaza ny minisitry ny Fitsarana, Ramanantenasoa Noëline, fa efa an-dalana ny fanatanterahana ny fitakiana.

Nanazava aza ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fitsarana, Andriamiseza Charles, tany Moramanga, ny faran’ny herinandro teo, fa efa azo avokoa ny 80% amin’ny fangatahana rehetra ataon’ny mpirakidraharahan’ny fitsarana sy ny mpandraharahan’ny fonja. Mino sy matoky izy fa efa miravona avokoa ny zava-drehetra. Anisan’ny olana any amin’ny faritany ny tsy fahafantarana ny zava-misy sy ny vaovao, ka hisy ny fampitana izany amin’ny alalan’ny tambajotram-pifandraisana

Les commentaires sont fermées.