Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fametraham-pialan’ny praiminisitra : nilaza ho tsy nanaotao foana ny filoham-pirenena

Fametraham-pialan’ny praiminisitra  : nilaza ho tsy nanaotao foana ny filoham-pirenena

Inona ny marina momba ny fametraham-pialan’ny praiminisitra? Nilaza ny filoham-pirenena fa tsy nanaotao foana izy…

“Heveriko hoe mampalahelo ireny zavatra ireny, satria hanaotao foana ve ny filoham-pirenena? Tsy hanao izany ny filoham-pirenena ho an’ny tombontsoan’ny firenena. Mahafantatra ny tokony hatao ny filoha.”

Io ny nambaran’ny filoha Rajaonarimampianina teny amin’ny lapam-panjakana, Iavoloha, omaly, momba ny fahamarinana na tsia ny fametraham-pialan’ny Praiminisitra Ravelonarivo, taorian’ny nanoloran’ny Antenimierampirenena, notarihin’ny filohany, Rakotomamonjy Jean-Max, ny anaran’izay ho praiminisitra.

Ny zava-dehibe: ireo solombavambahoaka mahatsapa hoe tokony hiroso isika, ka nanatitra ny lisitra anarana izay tokony ho praiminisitra izy ireo. “Raha nisalasala kely fotsiny ireo solombambahoaka ireo, tsy nanolotra ahy ny anarana”, hoy izy.

Maika ny fampandrosoana

“Fantatrareo ny hamehana izay ilaintsika hampandrosoana ny firenena, ary izao ianareo dia efa tonga taorian’ny fametraham-pialan’ny praiminisitra izay nankatoaviko”, hoy ihany izy.

Avy amin’ity lisitra anarana no hahazoany manendry izay ho praiminisitra.

Tsy mitarazoka amin’ny fampandrosoana ny firenena isika, fa hiezaka hanao izay handrosoana, araka ny lalàna, amin’ny fahefana izay nomena. Hatao izay hitsinjovana ny tena tombontsoan’ny firenena ao anatin’ny fitoniana sy filaminana izany.

Tsy tokony hiadian-kevitra ny fanendrena praiminisitra vaovao

 Tsy tokony hisy adihevitra ny fanendrena praiminisitra. Milaza ny And. 54 ao amin’ny lalàmpanorenana: manana fahefana hanolo praiminisitra ny filohan’ny Repoblika, raha ny nambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Rakotomamonjy Jena-Max.

Misy fepetra telo izany: mametra-pialana ny praiminisitra, na manao hadisoana bevava, na tsy mahatanteraka andraikitra. Ny zava-misy amin’izao, nametra-pialana ny praiminisitra, ary nivoaka ny didim-panjakana fa banga io toerana io.

“Izahay ao amin’ny Antenimierampirenena, araka ny And. 54 amin’ny lalàmpanorenana: manana adidy hanolotra amin’ny filoham-pirenena ny anaran’ny olona nivoaka tamin’ny antoko na vondrona politika manana ny maro anisa”, hoy izy.

R. Nd.

Les commentaires sont fermées.