Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Analakely : mpanendaka 8 mianadahy voasambotry ny polisy

Analakely  : mpanendaka 8 mianadahy voasambotry ny polisy

Mpanao sinto-mahery sy mpanendaka miisa valo ka vehivavy ny iray no voasambotry ny polisy teny Soarano sy Petite-vitesse ary Analakely, ny talata 5 avrily tontolo andro. Narahi-maso ary nifanenjehan’ny polisy izy ireo, ary izao tratra izao. Vokatry ny fitarainan’ny olona noho ny firongatry ny fanendahana sy ny sinto-mahery amin’ireo faritra ireo nanaovana ny hetsika. Raha vao nilatsaka ny polisy, nahasambotra ireto andian-jiolahy ireto.

Tamin’ny fanadihadian’ny polisy azy ireo no nahalalana fa mbola tsy ampy taona ny telo amin’izy ireo. Samy niaiky ny heloka nataony avokoa izy valo mianadahy ireo ary efa nigadra matetika teny amin’ny fonjaben’Antanimora ny roa lahy. 15 ka hatramin’ny 38 taona ny taonan’ireto olon-dratsy ireto. Natolotra ny fampanoavana, ny zoma lasa teo, ireo olona valo ireo.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.