Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ampitatafika : miaramila namono ny sakaizany

Ampitatafika  : miaramila namono ny sakaizany

Maty tsy tra-drano, notsatohana ny zava-maranitra ity tovovavy iray sakaizana miaramila, teny Ampitatafika ny asabotsy, tamin’ny 10 ora maraina. Nitsoaka ilay miaramila mitondra ny grady kaporaly, miasa any amin’ny RAS, rehefa nahavanon-doza ary tsy mbola hita hatramin’izao. Araka ny fanazavana, zanaka mpanao gazety ilay vehivavy ary mpiana-draharaha ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana.

Araka ny fanazavana azo, miara-mipetraka eny Ampitatafika eny izy roa ireo, kanefa tsy mbola vita raharaha. Nisy olana teo amin’ny roa tonta, ary izao niafara tamin’ny famonoana izao. Tsy mbola nisy tena nahalala ny tena antony namonoana ilay tovovavy anefa. Mandeha ny fikarohana io miaramila io amin’izao fotoana izao, ary efa namoahana didy fampisamborana.

Yves S.

 

Les commentaires sont fermées.