Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

AFT : 50 taona ny trano fanontana boky « L’école des loisirs »

AFT  : 50 taona ny trano fanontana boky « L’école des loisirs »

Miavaka amin’ny mahazatra isam-bolana ny fampirantiana etsy amin’ny AFT Andavamamba, mandritra ity avrily ity. Mandray ny fanamarihana ny faha-50 taona niorenan’ny trano fanontana boky « L’école des loisirs », matihanina amin’ny boky sahaza ny ankizy, ihany koa ny foibe. Sady mampialavoly no manome fahalalana ity fampirantiana ity. Ampahafantariny an-tsary sy an-tsoratra ny fomba fanontana boky : miainga eo amin’ny fanoratana, mandalo any amin’ny trano pirinty ary mandrapahatonga azy eny am-pelatanan’ny mpamaky.

Aranty ao koa ny sarin’ireo olo-malazan’ny boky famakin’ny ankizy. Tsy hifarana raha tsy ny faran’ny volana izao ity fampirantiana ity.

Landy R.

Les commentaires sont fermées.