Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Raharaha Rina Rasoava » : samy nahazo sazy mihantona 45 andro ny roa tonta

Nivoaka, omaly, ny didy momba ny fitsarana ny raharaha nampifanolana ny mpanao gazety Rina Rasoava sy ilay rangahy voalaza fa mpandraharaha. Nosazin’ny fitsarana sazy mihantona 45 andro avy izy roa lahy, ary mandoa lamandy 300.000 Ar ilay mpandraharaha raha 250.000 Ar ny an’i Rina Rasoava. Nilaza avy hatrany ity farany fa hampiakatra ny raharaha fa tsy afa-po tamin’ny valim-pitsarana.

Nifampitory noho ny fikasihan-tanana, fanompana ny roa tonta, fa ny an’ny iray kosa nisy fandrahonana ho faty sy fanambanana basy. Fanampin’izay ny fisian’ny filazana fa mpiasan’Ambohitsorohitra.

Raha ny fahitana ny didim-pitsarana, mitovy lenta ny sazin’ny fitsarana. Mety tsy noraisin’ny mpitsara ny momba ilay basy, izay nambara teny amin’ny tribonaly fa tsy tena basy fa fanairana fotsiny ihany. Aiza ho aiza kosa ny momba ilay fisandohana andraikitra?

Yves S.

Les commentaires sont fermées.