Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ny Asako rahampitso : manampy amin’ny fisafidianana « serie » ho an’ny mpianatra

Ny Asako rahampitso  : manampy amin’ny fisafidianana « serie » ho an’ny mpianatra

Manampy ny mpianatra ao amin’ny kilasy 2nde hisafidy ny sokajy (A-C-D) rehefa hiakatra amin’ny kilasy 1ère ny fisian’ny tetikasa Ny asako rahampitso, araka ny fanazavan’ny mpiandraikitra ny tetikasa ao amin’ny Rotary Ainga, omaly teny Anosy. Hanomboka amin’ny alatsinainy ny hetsika ka kilasy 2nde mahatratra 99 amin’ny lycée tantanin’ny fanjakana valo eto an-dRenivohitra. Hiantefa amin’ny mpianatra 4 500 ny fanazavana ny karazana asa misy sy ny fianarana ahatongavana amin’izany. Hoezahina ny hampahalala asa maro amin’ny sehatra samihafa : mpanao gazety, fizahantany, taotrano sy asa vaventy, mpitandro filaminana, informatika… Manana ora iray ny mpiasa iray isaky ny kilasy tsidihiny. Zava-dehibe indrindra ny fanoroana lalana ny mpianatra hahay hisafidy ny sokajy satria miankina amin’izany ny lalam-piofanana eny amin’ny oniversite.

240 ny olona hitondra ny traikefa hanampy ny mpianatra mandritra ny herinandro. Andiany faha-11 no hotontosaina amin’ity taona ity iarahana amin’ny fikambanana Rotary Aina toy ny mahazatra. Manohana ny tetikasa ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena isan-taona tao anatin’ny andiany rehetra.

Tafiditra amin’ny paikady enina ironan’ny fikambanana ny fanabeazana sy ny fanampiana ny hafa ka hitohy hatrany ny Ny asako rahampitso.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.