Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray mijery

Nanomboka nizara ny karatra famantarana ny mahamatihanina ho an’ireo mpivarotra ao amin’ny tsenan’Andravoahangy ny kaominina Antananarivo. Tanjona ny hanavahana ireo tena mpampiasa tsena sy mpandoa hetra amin’ny kaominina. Nahafahan’ny tompon’andraikitry ny sampandraharahan’ny tsena ao amin’ny kaominina nanasokajy ireo mpivarotra, arakaraka ny entana amidiny ihany koa izany fizarana karatra izany.

Manomboka tazana eny an-tsena ny karazana akanjo mafana. Manomboka mangatsiaka ny andro ka mamaly ny filan’ny mpanjifa, manaraka izany, koa ireo mpivarotra. Tsy mbola betsaka anefa ny mpividy azy ireny raha ny filazan’ireo mpivarotra. Mbola mivadibadika ny toetr’andro ka indraindray mafana be ary indraindray mangatsiaka. Any amin’ny volana mey sy jona any vao tena mandeha ny tsenan’ny akanjo mafana sy ny bodofotsy.

Les commentaires sont fermées.