Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanamboaran-dalana : miteraka fitohanana lavareny

Fanamboaran-dalana  : miteraka fitohanana lavareny

Nanomboka tamin’ity herinandro ity ny fanamboarana ireo ampahan-dalana tena nahitana fahasimbana be eto Antananarivo. Mandritra ny andro, fotoana mahabetsaka ny mpivezivezy no hanamboarana izany.

Vokany, vao amin’ny 6 ora maraina, efa raikitra ny fitohanan’ny fiara. Tsy misava io fitohanana mivaivay io raha tsy amin’ny 8 ora alina. Betsaka ireo taxi-be misafidy ny mody aloha mba tsy hisian’ny fatiantoka mihoa-pampana.

Mikorontana manaraka izany ihany koa ny fandaharam-potoan’ny mpiasa sy ny mpianatra hamonjy sekoly sy toeram-piasana. Tsy maintsy miala ora iray mialoha ny fiaingana mahazatra vao mahatratra fidirana.

Ahitana ny fanamboaran-dalana ny eny 67 ha sy Ambohimanarina iny. Mitohana tanteraka ny fifamoivoizana. Miteraka fahasorenana ho an’ny mpandeha fiara izany ka ao ireo misafidy ny mandeha an-tongotra raha hihazo an’Analakely.

Ny fitohanana mamely, ny hafanana migaina, tonga ho azy ny fanafintohinana ao anatin’ireny fiara fitaterana ireny amin’ireo samy mpandeha.

Ny fanehoan-kevitry ny sasany milaza fa “ratsy ny lalana, mimenomenona, amboarina ny lalana, mimenomenona ka tsy hita ihany izay hatao ho an’ny mponin’Antananarivo”. Ny sasany kosa miteny fa tokony ho amin’ny alina ny fanamboaran-dalana.

Samy manana ny heviny ireo mpiantsehatra amin’ny antso an-tariby mivantana amin’ireo haino aman-jery mikasika ity fanamboaran-dalana ity, saingy ny asa vita no zava-dehibe ho an’ny mpampiasa lalana.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.