Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Association 6.7 one : hampandroso ny secteur 67 ha Nord Ouest

Association 6.7 one  : hampandroso ny secteur 67 ha Nord Ouest

 Te hanova ny fomba fijerin’ny mponina eto Antananarivo momba ny fokontany 67 ha ny tanora ao 67 ha Avaratra Andrefana secteur 1. Nitsangana ny fikambanana 6.7 one ka nampahafantarina, omaly, ny fijoroany. Tanjona ny hanatsarana ny tanàna sy hitondra fampandrosoana ao anatin’ny secteur misy azy ireo. « Haverina ny hasin’ny tanàna ka fomba hahatongavana amin’izany ny fananganana fotodrafitrasa ho an’ny tanora sy ny ankizy », hoy ny lehiben’ny fikambanana, Rafalimanana Hajatiana. Miara-miisalahy ny fokontany sy ny fikambanana satria hatramin’izay, hanjakan’ny tsy fandriampahalemana sy ny firoboroboan’ny toeram-pisotroana ny tanàna, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny fokontany, Ranivoharison Liva. Hotokanana, anio, ny fotodrafitrasa ahitana toerana filalaovana basikety, fanaovana tsipy kanetibe, trano famakiam-boky, toeram-pilalaovana ho an’ny kilonga. Nanohana ny tetikasa ny federasion’ny basikety.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.