Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Analankininina Toamasina : jeneraly sy Kolonely nifamely totohondry

Analankininina Toamasina  : jeneraly sy Kolonely nifamely totohondry

Io indray! Nifamely totohondry ny manamboninahitra roa lahy (Jeneraly sy Kolonely), omaly tao Analankininina Hopitalibe Toamasina, omaly…

Miaramila eo Analankininina Hopitalibe sy kaomandim-paritany miaramila fahatelo ireto nifamely totohondry ireto, araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana. Raha ny fitantaran’ny kolonely voan’ny totohondrin’ilay jeneraly, nilaza izy fa tsy namaly mihitsy fa ity jeneraly ity no nanao befiavy nidaroka azy tao amin’ny birao fiasan’io jeneraly io. Kolonely efa misotro ronono ity niharan’ny herisetra ity ary tohin’ny fanesorana azy ireo tamin’ny trano, ny faran’ny volana marsa 2016 teo no antony nahatonga ny olana. “Araka ny efa nolazaiko fa trano simba hatramin’ny taona 1994 izy io ka namboarinay mba ho azo ipetrahana. Midika izany fa amin’ny anarako ny kaonteran’ny Jirama amin’io trano io”, hoy ny fanazavan’ilay Kolonely tamin’ny mpanao gazety. Nilaza tamin’ny Jirama araka izany, ity manamboninahitra misotro ronono ity mba hanapaka ny herinaratra sy ny rano ka izay no antony nanatonany ilay jeneraly mba hampilaza aminy satria efa misy mipetraka ny trano ary efa mampiasa izany. Nanamafy anefa ilay jeneraly araka ny filazan’ilay kolonely fa tokony hanao famindrana anarana izy sy ilay kolonely dia vita ny raharaha. Nametraka fanohanana eny amin’ny fitsarana momba ny fanesorana azy ireo tamin’ny trano ary miandry ny valim-pitsarana. Voalaza fa izay teny izay no tsy zakan’ilay jeneraly ka namely totohondry avy hatrany.

Sajo

Les commentaires sont fermées.