Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Alatsinainy Ambazaha : mpangalatra omby tratran’ny zandary

Alatsinainy Ambazaha  : mpangalatra omby tratran’ny zandary

Hatolotra ny fampanoavana anio ny lehilahy iray voarohirohy ho nangalatra omby tany Alatsinainy Ambazaha, ny alarobia teo. Afakomaly izy no saron’ny zandary ao amin’ny borigadin’Ampitatafika nandritra ny fanarahan-dia. Araka ny fanazavan’ny zandary, omby iray no nangalarin’ity mpangalatra ity ary novonoiny teny an-tranony eny Ambohijafy Ampitatafika. Tratran’ny zandary sy ny fokonolona tao an-tranony ilay omby efa maty sy voatetika. Nosamborin’ny zandary avy hatrany izy ka natao famotorana. Niaiky izy nandritra ny fanadihadiana fa tena mpangalatra omby. Nilaza izy fa efa fanaony izao halatra omby izao ary tsy omby ihany fa sady mangalatra kisoa koa izy. Tsy mangalatra omby maro fa maka tsikelikely hatrany ilay mpangalatra ary vonoiny ao an-tranony mialoha ny hamarotany azy eny amin’ny mpivaro-kena.

J.C

Les commentaires sont fermées.