Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

 Namaly ireo fitakiana ataon’ny sendikan’ny mpandraharahan’ny fonja sy ny mpiraki-draharaha ny minisitry ny Fitsarana omaly. Nambarany fa efa eo am-pandinihana ny momba ireo fitakiana, ary efa nisy ny efa voadinika sy nikaroham-bahaolana taloha, saingy mbola eo am-piandrasana ny valiny. Milaza ho sahirana ara-bola ihany koa ny minisitera ka misy amin’ireo fitakiana hafa tsy ho voavaly. Samy hahazo ny famahana olana sy fijerena manokana avokoa ny mpiraki-draharaha sy ny mpandraharahan’ny fonja.

Andian-jiolahy valo nirongo basy PA vita gasy, famaky ary sabatra nanafika ny tsena iray tany Fiandanakely Mahitsy, ny 3 avrily lasa teo, tamin’ny 12 ora sy 30 alina. Lasan’izy ireo tamin’izany ny sigara telo fonosana, toaka iray cageot, vola 800.000 Ar. Marihina fa efa tamin’ny 2 ora maraina vao nisy nampilaza ny borigadin’ny zandary Mahitsy. Manao ny fanarahan-dia avy hatrany.

Les commentaires sont fermées.