Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toamasina : nitarika ny fandravana ireo trano tsy ara-dalàna ny Ben’ny tanàna

Toamasina : nitarika ny fandravana ireo trano tsy ara-dalàna ny Ben’ny tanàna

Tsy nisy indrafo fa nitondra ireo polisy kaominaly sy ny vondron’ny mpamono afo nandrava ireo trano miorina tsy ara-dalàna sy nandoro ny tranon’ireo 4Mi eo amoron-dranomasina ao Toamasina, omaly ny Ben’ny tanànan’i Toamasina Ratsiraka Elysé…

Tafiditra ao anatin’ny fanadiovana ny morontsirak’i Toamasina ary koa paikady hanafoanana ny fialofan’ireo jiolahy sy tontakely mpanendaka eny amoron-dranomasina izao fanapahan-kevitra noraisin’ny Ben’ny tanàna izao, araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana. Raha ny zava-nitranga tao Toamasina, omaly, tratran’ny fanakianana avy amin’ireo olona tratran’ny fandravana, ny ben’ny Tanàna. “Fa angaha raha mahantra izahay dia tsy tokony homena fialofana? Maninona koa raha ravana fotsiny fa tsy dorana ho lasa lavenona tahaka izao”, hoy ireo 4Mi naneno ny alahelony.

Fa naneho ny alahelony koa ny fikambanan’ireo mpivarotra eo amoron-dranomasina. Nilaza izy ireo fa anisan’ny nanohana ny ben’ny Tanàna tamin’ny fametrahana azy teo amin’ny toerany ary nampanantena fa tsy hokorontanina izy ireo. Nanome toky ireto mpivarotra ireto, ny ben’ny Tanàna araka ny tatitra nampitain’izy ireo fa hampiana ny faritra hivarotan’izy ireo rehefa lany soa aman-tsara tamin’ny fifidianana.

Mifanindran-dalana amin’izay indrindra, namoaka didim-pitondrana ny prefet-n’i Toamasina, Benandrasana Cyril fa tsy maintsy mikatona amin’ny 10 ora alina ny trano fivarotana zava-pisotro rehetra ao Toamasina sy ny fanaovana Karaoke tsy manana fahazoan-dalàna. Natao izany mba hametrahana filaminana ho an’ity renivohitra ara-toekaren’i Madagasikara ity, araka ny fanazavany.

Sajo sy J.C

Les commentaires sont fermées.