Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Foibe Marie Stella : fitiliana maimaimpoana ny diabeta mandritra ny herinandro

Foibe Marie Stella  : fitiliana maimaimpoana ny diabeta mandritra ny herinandro

Ho fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny fahasalamana izay natokana ho an’ny diabeta, manao fitiliana maimaimpoana mandritra ny herinandro (nanomboka omaly) ny centre de santé Marie Stella, Analamahitsy. Manampy izay ny torohevitra hisorohana ny toe-batana diabetika raha mbola tsy tonga amin’izay ilay olona. “Raha voatily kosa fa efa ao aminy ny diabeta, raisina an-tanana maimaimpoana izy amin’ny fizahana sy ny fanafody arakaraka ny sokajim-piainany”, hoy ny mpiandraikitra voalohany ny toeram-pitsaboana, dokotera Feziny Séraphine, omaly, teny Analamahitsy. Zava-dehibe tokony hataon’ny rehetra tsy tapaka ny fampiasam-batana isan’andro hisorohana ny diabeta. Ny sakafo koa tokony tsy matavy sy mamy loatra ary atao betsaka ny voankazo sy ny legioma manta mandritra ny tontolo andro. Loza mananontanona ny vahoaka ny diabeta ka manaitra ny rehetra ny OMS hanova ny fomba fiainana mba ho ara-pahasalamana. Eo koa ny fitazonana ny lanjan’ny vatana tsy hitombo loatra. Ny olona iray mirefy 1m 55 dia tokony hilanja 53 kg mba hifanaraka amin’ny halavany.

Isan-taona, tokony handrefy ny tahan’ny siramamy anatin’ny ra ny rehetra. Fahajambana, voa marary, olan’ny fo sy ny lalandra, tongotra voatery tapahina… samy voka-dratsin’ny diabeta avokoa ireo.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.